Mot du Frère Directeur
MOT DU FRERE DIRECTEUR
Hotiavina hatraiza hatraiza anie ny Fo Masin’i Jesoa,
Hotiavina hatraiza hatraiza anie ny Fo Madion’i Maria
DUM VERNO
Feno 25 taona ny ESSCA, feno 85 taona izay no nisian’ny Sekoly ESCA ary feno 90 taona ny nahatongavan’ny Freres du Sacré-Cœur teto Madagasikara. Nankalazaintsika nandritra iny taom-pianarana 2017-2018 iny izany vanim-potoana manan-danja izany.
Fisaorana an’Andriamanitra no teny voalohany manoloana izany. Izany rehetra izany tokoa no nisy sy tateraka dia teo ny fitatany sy ny fitiavany antsika.
Manaraka izay dia tsy hadino ihany koa ireo rehetra nitondra sy nitantana ary nanabe teto amin’ny sekoly ESCA sy ESSCA nandritra ireo taona nifandimby. Matoa isika manana izao toerana azontsika mibe sy manabe izao dia noho izy ireo nitsinjo ny ho avy ka nanao izay tratry ny ainy mba hamela lova tsara ho an’ny taranaka ho avy.
Ho antsika mivondrona ato amin’ny fianakaviam-ben’ny ESCA-ESSCA amin’izao fotoana izao. Fiarabana antsika mpanabe sy beazina tratran’izao taom-pianarana vaovao 2018-2019 izao no voalohanteniko. Ny Fo Masin’i Jesoa anie homba antsika hatrany hananantsika ny fahasoavana sy ny hery ahafahantsika manatontosa ny adidy ankinina amintsika araka ny sitrapon’Andriamanitra. Mba hahay hijery lavitra ihany koa isika ka hamela mamy ho an’ireo taranaka handimby antsika.
Raha ny fanabeazana indray no resahana amin’izao fotoana izao dia iraha-mahalala fa sarotra ary manahirana. Betsaka ireo rivotra vaovao mitranga miampy ireo efa nisy teo aloha ka tsy fantatra intsony izay arahina. Mitombo hatrany ny elanelana eo amin’ny fomba fijery nefa ny soatoavina izay nentina namahana ny olana mety haterik’ireny tsy fitoviana ireny efa hadino sy very. Lasa fifanipahana sy fifanoherana ary fitadiavana ny tombontsoa manokana no mahazo vahana rehefa misy ny adihevitra fa tsy fitadiavana izay hahasoa ny be sy ny maro.
Akoatra izany dia hoy indrindra ny ao amin’ny Komisaona Episkopaly misahana ny fanambeazana sy fampianarana Katolika eto Madagasikara : Marary ny tontolo iainantsika amin’izao fotoana izao ; Marary ihany koa ny totonlom-pianana na ny tontolom-piarahamonina ; Ary marary ny tontolom-pinoana.
Manoloana izany rehetra izany no tsy maintsy hamolavolana sy hanolorana rafi-panabeazana mendrika ho an’ny zaza sy ny tanora Malagasy.
Ilaina ny fiaraha-miasan’ny rehetra (Mpanabe, Ray aman-dReny, Ny olon-tsora, ny mpitondra ary ireo mpanohana isan-tsokajiny) ho fanataterahana izany. Tsy ho vitan’ny fiaraha-miasa fotsiny anefa fa ilaina indrindra indrindra ny fisehoan’ireo mpiara-miombanantoka voatanisa ireo ho modely sy ho ohatra velona ka azon’ireo beazina alaina tahaka.
Ka hoy hatrany ny Eveka Raiamandreny hoe mila olona mpanarina sy mpanorina ny fanabeazana, manohy ny hafatra.
Izany ary no fanamby miandry antsika mpikatroka ato amin’ny fanabeazana Katolika sy ato amin’ity sekoly ESCA-ESSCA malalantsika ity.
Koa ankino amin’ny Fo Masin’i Jesoa hatrany àry izay atao mba ahafahantsika mijoro ho fanasin’ny tany sy fahazavan’izao Tontolo izao
.Ry Fo Masin’i Jesoa ô, Mahatoky Anao izahay.